Mahavelokely Fenerivo Atsinanana : Nitrangana hain-trano goavana androany tamin’ny 04 ora maraina
AI summary
Fivarotana iray tao Mahavelokely Fenerivo Atsinanana no may kila forehitra izay nitranga tamin’ny 04ora maraina tany ho any. Vao nitranga ny hain-trano dia efa tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina ny kaominina Fenerivo Atsinanana 2ème CNTS niaraka tamin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena ary ny fokolonola. Niredareda tanteraka ny afo tamin’ireo fahatongavan’ny mpamonjy voina izao, saingy nanao ny ezaha rehetra izy ireo dia tsy ela ihany dia maty ny afo ary tsy nihitatra. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny anton’ny fahamaizan, fa araka ny resaka mandeha dia mety ho tselatra herinaratra tamin’ny tarobia tao amin’ilay trano no nahatonga ny loza. Izay no nahatonga ny mpamonjy voina sy hai-trano nampitandrina ny tsirairay, mba hanara-maso ny tarobiana herinaratra ao an-tranony ary hampilazana ny jirama raha mahita tranga fitselarana tsy mahazatra amin’izy ireny. Hatreto ihany koa tsy mbola fantatra ny sandany zavatra may tao anatin’ilay trano fivarotana, fa ny hany tsapa fotsiny hoy ireo namonjy voina dia may kila forehitra ilay trano fivarotana na kioske ity. Tena mateti-mpitraga ity resaka hai-trano ity ao Analanjirofo sy Fenerivo Atsinanana tato ho ato izay, satria vao tsiela akory ilay tranga tao Manompana dia izao tranga na kioska Fenerivo Atsinanana Mahavelokely ity no niseho. Samy mbola eo am-panadidiana ny anton’ny loza ny mpitandro filaminana amin’izao.
Malala Didier
L’article Mahavelokely Fenerivo Atsinanana : Nitrangana hain-trano goavana androany tamin’ny 04 ora maraina est apparu en premier sur Midi Madagasikara.
Follow the story
About this article
- Length
- 231 words · 1 min read
- Published
- October 23, 2026
- Byline
- Rédaction Midi Madagasikara
- Source
- Midi Madagasikara