RN2 : Tapaka indray
Nimenomenona ny mpampiasa làlam-pirenena faharoa omaly. Ny antony dia ny fahatapahan’ny làlana indray. Ary izany dia eo amin’ny toerana mitovy amin’ilay fahatapahana farany, vao herinandro lasa izay : eo Mandraka. Efa hatramin’ny afak’omaly alina no tsy nihetsika intsony ny fiara ary natory tao anatiny ny mpivezivezy izay tsy nanam-po sy tsy niomana. Sady tsy nisakafo no […] L’article RN2 : Tapaka indray est apparu en premier sur Midi Madagasikara .
Nimenomenona ny mpampiasa làlam-pirenena faharoa omaly. Ny antony dia ny fahatapahan’ny làlana indray. Ary izany dia eo amin’ny toerana mitovy amin’ilay fahatapahana farany, vao herinandro lasa izay : eo Mandraka. Efa hatramin’ny afak’omaly alina no tsy nihetsika intsony ny fiara ary natory tao anatiny ny mpivezivezy izay tsy nanam-po sy tsy niomana. Sady tsy nisakafo no tsy nisotro rano ireo fa dia niaritra teo. Hatramin’ny omaly antoandro dia mbola teo ihany ireo olona ary ny hany sisa azo natao dia ny nanaparitaka ny zava-nisy tamin’ny tambajotra sosialy mba hanetsehana izay mety ho tompon’andraikitra mahavaha olana. Isan-kerinandro izany dia toa izany hatrany no iainana amin’iny RN2 iny. Ary tsy nisy vahaolana hatreto. Na ny zandary mandamina aza lany hevitra satria rehefa voabahana ny làlana dia tsy misy azo hatao. Ny fametrahana « task force » eny amin’iny lalam-pirenena iny no isan’ny vahaolana aroson’ny teknisiana nanontaniana. Izany hoe, efa misy « bulldozer » sy fitaovana hafa afaka manisaka fiara izay simba na mibahan-dàlana hafa miandry fotsiny ary afaka hahetsika avy hatrany. Be loatra mantsy ny fatiantoka hateraky ny fahatapahan’ity lalam-pirenena ity izay hivezivezen’ny olona maro sy mamatsy entana maro mamelona ny firenena. Hatreto dia matetika ny fahasimban’ny kamiao hatrany no miteraka ny olana. Ny làlana rahateo efa tery hany ka vao misy iray tsy tafihetsika dia tapaka indray, tapaka isan-kerinandro…
D.R
L’article RN2 : Tapaka indray est apparu en premier sur Midi Madagasikara.
Follow the story
About this article
- Length
- 232 words · 1 min read
- Published
- October 23, 2026
- Byline
- Rédaction Midi Madagasikara
- Source
- Midi Madagasikara