Imerimandroso : Tanimbolin-drongony saron’ny zandary
AI summary
Mbola maro amin’ny olona tokoa no tsy mahafantatra fa voararan’ny lalàna tanteraka ny fambolena rongony. Toy ity nitranga tao Imerimandroso, kaominina Antanambao, distrikan’Antsirabe. Teo an-tokontaniny soa aman-tsara mantsy ity lehilahy ity no namboly rongony, nataony toy ireny zaridaina kely ireny mihitsy. Rongony teo amin’ny 50 fototra teo no sarona tao aminy araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Ny alakamisy teo no saron’ny zandary ity fambolena rongony ity rehefa nahazo angom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo izy ireo. Nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza izy ireo ary indreo fa maitso mavana sy vanona tokoa ny fambolen-drangahy. Nongotana teo no eo avy hatrany moa ireo fambolena ireo teo imason’ny tompon’andraikitra ary notanana natao andrimaso ny mpamboly.
m.L
L’article Imerimandroso : Tanimbolin-drongony saron’ny zandary est apparu en premier sur Midi Madagasikara.
Follow the story
About this article
- Length
- 128 words · 1 min read
- Published
- September 19, 2026
- Byline
- Rédaction Midi Madagasikara
- Source
- Midi Madagasikara